<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>313</hymn_number>
<title>Miantra ny firenena, ry Jesosy Tomponay ! FFPM313</title>
<lyrics>[V1]
 Miantra ny firenena,
 Ry Jesosy Tomponay !
 Ambarao ny famonjena
 Izay nataonao fahizay ;
 Asehoinao ny hery
 Namonjena marobe ;
 // Ry Mpamonjy olom-bery !
 Mamonje indray anie //

[V2]
 Mba heveronao ry Nosy
 Itoeranay izao ;
 Iantraonao, ry Jesosy,
 Ny tsy mahalala Anao ;
 Iantrao ireo faritany
 Anjakan'ny aizim-be,
 // Mba ho tonga faingana any
 Ny mazava lehibe //

[V3]
 Be ny tany tsy voasa,
 Vitsy ny mpanomponao ;
 Koa izahay mpiasa
 Ao an-tanimbolinao
 Mba omeo fo minia
 Hankato ny teninao,
 // Ka aoka mba hikely aina
 Izahay hiasa ao //

[V4]
 Mankanesa, ry Mpitory !
 Ao an-tany lavitra ao,
 Be tsy mahalala akory
 An'i Jeso Tomponao,
 He, ny fahantrany, indrisy !
 He, ny hadalan'ny ao,
 // Fa ny olona tsy misy
 Hampianatra azy ao //

[V5]
 Ny harena anomezo
 Sy ny fahendrena koa,
 Eny, Kristiana ! aelezo
 Izay rehetra mahasoa ;
 Mankanesa re izay tia
 Ny Mpamonjy lehibe ;
 // Miantrà ka manampia
 Ny mahantra marobe //</lyrics>
<author>T.E. Perkins</author>
</song>